<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>P. Nilsen-Lund</author>
<title>Ny ony tsy miato, fa mitady FFPM670</title>
<lyrics>[V1]
 Ny ony tsy miato, fa mitady
 Ny ranomasina ihaviany ;
 Ka toy izany koa ny fanahy
 Mitady ny Andriamaniny,
 Andriananahary
 No Tompoko nahary
 Ny faniriako,
 Izay mitady Azy, ka manary
 Izay misakana ny diako.

[V2]
 Izay midongy sy mirehareha
 Tsy hahatratra ny Edenany ;
 Lomorina ny rano tsy
 mandeha,
 Ka samba ao am-pijanonany ;
 Ka toy izany koa :
 Ho samba avokoa
 Izay mijanona,
 Ka tsy manatona ny Tompo
 soa
 Izay mitahy sy mamelona.

[V3]
 Tsy misy zavatra atý an-tany
 Mahafa-po ny faniriako ;
 Vahiny aho eto ka mankany
 An-danitra izay fodiako.
 Ny Tompoko malala
 Ho avy hampiala
 Ny olony atý ;
 Izaho dia tsy misalasala
 Hanaraka ny Tompo ho arý.</lyrics>
<hymn_number>670</hymn_number>
</song>